
04 Jona 2026

Hôtel Carlton – Anosy

VEHIVAVY MPITARIKA MALAGASY : HANDRAY ANJARA FENO AMIN’NY FANAVAOZANA AN’I MADAGASIKARA

Notanterahina tetsy amin’ny Hôtel Carlton Anosy ny 04 sy 05 Jona 2026 ny Fihaonambem-pirenena “Vehivavy Mpitarika Malagasy”, hetsika iray mampivondrona vehivavy sy tanora vehivavy mpitarika avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara.

Maherin’ny 100 ireo mpandray anjara, ahitana solontenan’ny tambajotra sy fikambanana isan-karazany, solontenan’ny andrim-panjakana ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

Nanome voninahitra ny lanonam-panokafana ny Vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Ramatoa Elisa Randrianirina, sy ny Minisitry ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, izay samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny vehivavy amin’ny dingan’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ny firenena.

Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy sy ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena ity fihaonambe ity. Sehatra iray ahafahana manangona, mandrindra ary manatsara ireo soso-kevitra sy fehin-kevitra nivoaka avy amin’ireo lohahevitra sy adihevitra samihafa mahakasika ny fiainam-pirenena izy ity.

Tanjona lehibe amin’ny fihaonambe:

Hametraka ireo laharam-pahamehana entin’ny vehivavy sy ny tanora vehivavy amin’ny fanavaozana ny firenena;

Hanangona sy handrindra ireo tolo-kevitra avy amin’ny vehivavy manerana ny Nosy;

Hanolotra amin’ny fomba ofisialy ireo fehin-kevitra sy tolo-kevitra amin’ireo manampahefana nasionaly sy ireo andrim-panjakana misahana ny Fanavaozana.

Tao anatin’ny lahateniny, Ramatoa Elisa Randrianirina dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’ny vehivavy sy ny tanora vehivavy andraikitra manoloana ireo fanamby atrehin’ny firenena ankehitriny.

“Ilaina ny mihaino ny feon’ny rehetra. Tsy raharahan’olom-bitsy ny Fanavaozana fa andraikitry ny vahoaka malagasy iray manontolo. Ao anatin’izany isika vehivavy sy tanora vehivavy mpitarika.”

Nanentana ihany koa izy mba hisian’ny fandraisana anjara sy fisoloantena tena izy ho an’ny vehivavy amin’ny sehatra rehetra andraisana fanapahan-kevitra, manomboka eny ifotony ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony indrindra. Notsindriany manokana ny maha-zava-dehibe ny fanesorana ireo sakana mahatonga ny vehivavy tsy handray anjara amin’ny sehatra politika sy ny fanamafisana ny fiofanana ho fampivelarana ny fahaiza-mitarika sy ny traikefa.

Raha ny antontanisa ankehitriny:

Vehivavy 23 monja amin’ireo 163 Solombavambahoaka no eo anivon’ny Antenimierampirenena;

7% monja ny olom-boafidy vehivavy eny anivon’ny Kaominina;

Eo anivon’ny Governemanta kosa dia efa mahatratra 30% ny vehivavy, izany hoe Minisitra 9 amin’ny 30, vokatry ny ezaka fanomezana sehatra sy lanja ny vehivavy.

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, dia nanentana ireo vehivavy sy tanora vehivavy handray anjara mavitrika amin’ny dingana rehetra amin’ny Fikaonandoham-pirenena.

“Hanao Fikaonandoham-pirenena isika eny amin’ny Fokontany, Kaominina, Distrika, Faritra ary eo amin’ny sehatra nasionaly. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny vehivavy any ampitan-dranomasina. Manentana anareo handray anjara amin’ny famolavolana ireo hevitra izay hanatsarana ny fiainam-pirenena.”