📅07 Jolay 2026
📍Vavaranon’i Ambolo – Distrikan’i Taolagnaro | Faritra Anosy
🇲🇬𝐌𝐢𝐭𝐨𝐡𝐲 𝐧𝐲 𝐟𝐢𝐝𝐢𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐟𝐨𝐭𝐨𝐧𝐲 𝐡𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚𝐦-𝐩𝐢𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚
📝Nanohy ny fidinana ifotony ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Anosy Atoa Livera Bevazaha tamin’ireo kaominina ao amin’ny Vavaranon’i Ambolo, tao Enakara Haut, Enagnilia, Ranomafana, Bevoay ary Emagnobo, tamin’ny alalan’ny famelabelarana sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena.
👉Nohamafisina nandritra izany fa ny FFKM no mitarika sy misahana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny Ministeran’ny Fanavaozana kosa no miantoka ny fanohanana ara-teknika sy ny fanomanana.
Hita taratra nandritra ity fihaoanana ity ny fahavononan’ ny vahoaka handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra sy hizara ny heviny ho fanorenana ny hoavin’ny Firenena.🇲🇬🇲🇬
# MCR