
Alakamisy 21 may 2026

Tranombokim-pirenena Anosy
Andro faharoa ny dinika fanomanana ho an’ny Fikaonandohampirenena

Nitohy androany ny andro faharoan’ny atrikasa fanomanana ireo fitaovam-piofanana sy torolalana ho an’ireo Mpanamora ny Fikaonandoham-pirenena.

Nanatrika izany Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, izay nanamafy fa :

Ny eo anivon’ny FFKM no mitarika ny dinika amin’ny Fikaonandohampirenena

Ny Ministera no miantoka ny fandrindrana ankapobeny

Tsy maintsy ho hita ao anatin’ny fizotry ny fikaonandoha ny fampiatiana sy ny fandraisan’anjaran’ny rehetra

Nankasitrahany ny fiaraha-miasan’ny PNUD sy ireo rehetra mandray anjara amin’ny fanomanana.

Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaizan’ireo Mpanamora sy ny fomba hitantanana amim-pahombiazana ny fakan-kevitra ny atrikasa.

“Maro ny sedra, nefa tsy maintsy mandroso miaraka ho tombontsoan’ny firenena.”