Tontosa omaly ny dinika sy fakan-kevitra ho an’ny tanora tao amin’ny distrikan’i Toamasina I.
Anisan’ireo nandray fitenenana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana, Atsinanana Ramatoa Blandine Voizy, ka nanazava ny maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena sy ny anjara toerana lehibe sahanin’ny tanora amin’ny fakan-kevitra ho avy.
Ny fandraisana anjaran’ny rehetra no antoky ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa.