06 Jolay 2026📍 Biraon’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI), Alarobia
🇲🇬 TATITRA MAHAKASIKA NY FIKAONANDOHA SAVARARINANDO MOMBA NY FANAVAOZANA NY LISI-PIFIDIANANA
🤝Notanterahina androany tao amin’ny Biraon’ny Vaomiera Mahaleo Tena Misahana ny Fifidianana (CENI) tetsy Alarobia ny fikaonandoha savaranonando momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana . Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filohan’ny CENI, Thierry Rakotonarivo, niaraka tamin’ireo mpikambana fito mandrafitra ny biraon’ny Vaomiera.Anisany tonga nanatrika izany ihany koa ny solontena avy amin’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana dia ny Talen’ny Raharaha momba ny Fanaovan-dalàna Ramahefarivo Fetranirina sy ny Talen’ny Fampiharana sy Fanohanana ara-teknika ny Fanavaozana Rivomendrika Joro Lovanirina.
📣Nandritra ny lahateniny dia nohamafisin’ny filohan’ny CENI fa ny fanavaozana ny lisi-pifidianana dia tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny mangarahara tanteraka, mifanaraka amin’ny lalàna sy ny fenitra ara-teknika. Hampiasaina amin’izany ny rindrambaiko vaovao, ary hisy fitsirihana (audit) roa mba hiantohana ny fahamarinan’ny lisitra sy hisorohana ireo lesoka nahitana fanakianana teo aloha, toy ny fisian’ny anarana miverimberina (doublons), ny fampiasana kara-panondro mitovy laharana ary ireo tsy fanarahan-dalàna hafa.
Araka ny fanazavana nomena, dia handalo dingana efatra ny fanisana ny mpifidy eny ifotony, dia ny fanoratana ireo mpifidy tratra tao an-trano, ny fanoratana ireo nametraka kara-panondrom-pirenena, ny fametrahana fampahatsiahivana ho an’ireo tsy tratra sy tsy nametraka kara-panondro, ary ny fametrahana marika amin’ireo tokantrano efa notsidihina sy ireo mbola hiverenana.
Nohazavaina ihany koa ireo asa rehetra mandrafitra ny fanavaozana ny lisi-pifidianana.
Nambaran’ny CENI fa ny didim-panjakana noraisin’ny Filankevitry ny Governemanta tamin’ny 13 Aprily 2026 no mamaritra ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana . Ara-teknika dia haharitra 12 ka hatramin’ny 24 volana ny fanatanterahana izany, ary ny 15 Jolay 2026 no fe-potoana hamaranana ny fanendrena ireo mpikambana ao amin’ny CLRE eny anivon’ny fokontany, miaraka amin’ny fandraisan’anjaran’ny solontenan’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenena.
😀Nohamafisina nandritra ny fikaonandoha ihany koa fa tsy hampiasaina intsony ny lisim-pifidianana teo aloha.
Notsindriana ihany koa ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena amin’ny famolavolana ny lalàna mifehy ny fifidianana.
Araka ny tetiandro moa dia vinavinaina hatao amin’ny volana Jona 2027 ny fitsapahan-kevim-bahoaka momba ny Lalàmpanorenana vaovao ary amin’ny Oktobra 2027 ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.
🧩Ny Vokatra andrasana aorian’izao fikaonandoha izao moa dia ny :
Fananana lisim-pifidianana feno, madio ary marina.
Fanamafisana ny mangarahara sy ny fahatokisana ny fizotry ny fifidianana.
Fandraisan’anjaran’ny sehatra rehetra amin’ny fanavaozana ny lisim-pifidianana.
Fanatsarana ny fitantanana ny fifidianana ho fanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara.🇲??🇲🇬