Ambohidratrimo
🗓️ 05–06 Mey 2026
🚀 Fanomanana fikaonandoha ifotony:
Tanterahina eny Ambohidratrimo mandritra ny roa andro ny fifanakalozana traik’efa momba ny tari-dàlana sy ny fomba fiasa enti-miatrika ny fakan-kevitra eny ifotony.
👥 Miisa 125 ireo mpandray anjara ka ahitana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR) foibe ,ireo Talem-paritra, ireo solontena avy amin’ny firaisamonim-pirenena, ny fikambanan’ny vehivavy mpitarika sy ny tanora.
🔎 Hevitra lehibe nodinihina
* Fanomanana fomba fiasa eny amin’ny fokontany, kaominina sy distrika ary faritra
* Fizarana andraikitra ho an’ireo mpanentana manerana ny kaominina 1695
* Fanangonana sy fandrindrana ny fehin-kevitra ary indrindra ny fampiasana haikajy mirindra
* Paikady serasera sy fanabeazana olompirenena
🎯 Tanjona
Hampizotra an-tsakany sy an-davany ny fakan-kevitra nasionaly misokatra, mangarahara ary tsy mitanila, manomboka eny ifotony ka hatrany amin’ny faritra rehetra.
📌 Vokatra andrasana
✔️ Mitovy lenta ny fahalalan’ny mpandray anjara tsirairay
✔️ Boky sy torolàlana mazava ho an’ny fanofanana
✔️ Fanomanana mpampiofana mpanentana eny ifotony hitantana ny fakan-kevitra
⚙️ Dingana manaraka
➡️ Hisy ny fiofanana ho an’ny mpampiofana miisa 277. Aorian’izay ireo mpampiofana ireo no hieli-patrana manerana ny nosy hampiofana mpampiofana sy mpanentana hafa.
🤝Anisan’ny nanohana tamin’ny fikarakarana ity fifanakalozana ity ny PNUD.
🔴Nanatrika ity fotoana ity ihany koa moa ireo delegasiona avy amin’ny SADC izay mandalo eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.
#mcr#fikaonandohampirenena
#fifanajana#FiarahaMientana#Finiavana