TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA MANOHY NY FANENTANANA MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA

📅 08 Jona 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Fanandrana – Distrika Toamasina II, Faritra Atsinanana
🇲🇬 TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA MANOHY NY FANENTANANA MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
🤝 Nanatanteraka fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fanandrana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Faritra Atsinanana, Ramatoa VOIZY Blandine, niaraka tamin’ireo tomponandraiki-panjakana sy mpisehatra eny an-toerana.
👥 Nanatrika izany ireo solontenan’ny Kaominina Ambanivohitra Fanandrana, Amboditandroho, Ampasimadinika, Andranobolaha ary Ambodilazana, niaraka tamin’ireo Sefo Fokontany, Ray aman-dReny ara-panahy, olo-be an-tanàna ary solontenan’ny fokonolona.
🗣️ Nandritra ny fihaonana dia nanentana ny mponina handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritra, haneho hevitra am-pahalalahana sy am-panajana, ary nampahafantatra ny fizotry ny fikaonandoha sy ireo andry telo iorenany.
✨ Hita taratra ny fahalianan’ny vahoaka satria sambany no misy fifampidinihana mivantana amin’ny mponina eny ifotony momba ny Fikaonandoham-pirenena.
🙏 Isaorana ireo tomponandraikitra rehetra sy ny vahoaka nandray anjara tamin’ity hetsika ity.
➡️ Mitohy ny fanentanana sy fidinana ifotony, ka ny Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro indray no handray izany, miaraka amin’ireo Kaominina Ambodiriana sy Sahambala.