📍Antsiranana | 08 Jolay 2026
⚡ Tafiakatra 11,1 MW ny famokarana herinaratra ao Antsiranana
Mitohy ny fanatsarana sy fanamafisana ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana. Arak’izany dia nahatratra 11,1 MW ny fitambaran’ny herinaratra vokarina, ka 9,3 MW no avy amin’ireo tobim-pamokarana mandeha amin’ny solika (5,6 MW JIRAMA ary 3,7 MW ENELEC), ary 1,8 MW kosa no avy amin’ny tobim-pamokarana herin’ny masoandro.
Vokatry ny fanamafisana ny famokarana dia afaka namaly ny filàn’ny mpanjifa ny herinaratra novokarina, ka tsy nisy ny fahatapahan-jiro mifandimby (délestage tournant). Izany dia taratry ny ezaka mitohy ataon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) sy ny JIRAMA amin’ny fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fanamafisana ny famatsiana herinaratra, mba hiantohana tolotra milamina sy maharitra ho an’ny mponina ao Antsiranana.
#MCR#Fanavaozana