🗓️23 Aprily 2026
📍Anosy
Programa entina manatanteraka ny politika ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana : Nampahafantarina ireo mpiara-miombon’antoka 🇲🇬
✅Notanterahana androany tao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny fihaonana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena nampahalalana ny tetiandro, ny paikady ary ny vina voarakitra ao anatin’ny Programan’ny Fanavaozana.
👥Niara-nisalahy tamin’ny fikarakarana ny fihaonana ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny Minisitera misahana ny Fanavaozana,ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahanantena ary ny Rafitry ny Firenena Mikambana
🗣️Hoy ny Praiminisitra : hametraka fanavaozana lalina isika, hanangana Repoblika vaovao, ny tanora no ho fanoitra ny fampandrosoana .
* 🌐Vina: Fametrahana Repoblika vaovao miorina amin’ny fanjakana tan-dalàna sy ny fifidianana madio.
* 📄Paikady: Fakan-kevitra isan’ambaratongany : miainga amin’ny fokontany, mandalo amin’ny kaominina sy distrika, faritra ary nasioanly amin’ny alalan’ny Fikaonandoha.
* 📣Antso: Fanentanana ny mpiara-miombon’antoka hanohana io Programan’ny fanavaozana io.
🎯Tanjona ny hamerina ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra sy ny andrim-panjakana hiantohana ny fitoniana maharitra.🤝🏼