26 Aprily 2026
📍Parvis Analakely-Kianjan’i Mahamasina
Fanavaozana ny sehatry ny fanatanjahantena: hodinihina mandritra ny fikaonandoha
🏃‍♀️‍➡️Nofaranana io maraina io ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena ka hazakazaka « course de la solidarité » no nanamarihana izany. Misy ihany koa ny fampirantiana mahakasika ny fanatanjahantena eny amin’ny Kianjan’i Mahamasina
👥Niatrika ny fotoana teny an-toerana ny Mpanolotsaina avon’ny Fanavaozana, ny kôlonely Thierry Rampanarivo, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta Mamitiana Rajaonarison ary mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta. Ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Hanitra Razafimanantsoa .
👫Tanora maro avy amin’ny lafivalon’ny nosy, lehibena federasiona, atleta ary olon-tsotra ihany koa no nandray anjara tamin’ity hazakazaka ity nanomboka teo analakely ka hatreny Mahamasina.
🗣️Hoy ny Praiminisitra : manohana ny mpanao fanatanjahantena ny tenany, satria ny fanatanjahantena dia natao hampiray ny malagasy ary singanina manokana ireo manana fahasembanana,mankahery azy ireo izy ary asiana maso manokana izy ireo ao anatin’izao fotoanan’ny fanavaozana izao👩‍🦽‍➡️
👉Nanentana ihany koa izy ny mba handraisana anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoha manokana ho an’ny fanatanjahantena ka mba ho asa mahavelona fa tsy mahasahirana satria misy fetra ny fotoana maha-atleta hoy izy.
🕺Mazava loatra fa nialohavan’ny fanafanan-tena ny hazakazaka androany.
#mcr#Fanavaozana#fikaonandohampirenena
#fifanajana#fiaraha-mientana#finiavana