
Ireo Filoham-piangonana 4 mirahalahy no nitarika ny fanompoam-pivavahana. Tonga nanome voninahitra izao fotoana izao ireo olom-boafidy, filohan’andrim-panjakana, mpikambana eo anivon’ny Governemanta ka anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana Me Hanitra Razafimanantsoa sy tompon’andraikitra samihafa.

Izao fanompoam-pivavahana izao dia natao hitondrana am-bavaka ny vokatra sy ny fanapahan-kevitra izay noraisina mba hitondra fiadanana ho an’ny Fiangonana sy ny firenena . Fotoana ihany koa nampitana hafatra avy amin’ny tenin’Andriamanitra tao amin’ny bokin »i Nehemia 2: 16-18.izay notorian’ny Filohan’ny FFKM Monseigneur Ranarivelo Samoela Jaona, sady Filohan’ny EEM

Hafatra izay nilazana amin’ny vahoaka, amin’ny firenena fa mbola misy ny fanantenana na dia misy manda rava efa ela aza eto amin’ny firenena. Nohamafisina hatrany fa tsy mangina ny Fiangonana, na nitazam-potsiny fa nitodika tany amin’ny Tompon’ny zavatra rehetra nandritry ny fotoana sarotra izay nolalovan’ny firenena Ary rehefa nandinika dia nahatsapa fa tsy vitan’ny teny fa njioro nandray andraikitra.

Nametrahana andraikitra ny Fiangonana ary mazava ny antso.: mitsangàna ianareo fa ianareo no hitarika anay. Mazava ny iraka: hamerina indray ao am-pon’ny vahoaka fa mbola misy ny fanantenana.

Azo atao tsara ny manangana manda vaovao. Ilaina ny mifampitantana sy ny mifankahery. Mitaky andraikitra sy asa izany. Hanangana ny manda fa tsy ho fandatsa intsony ny vahoaka. Asa vadidrano, tsy vita raha tsy ifanankonana. Ho hetsehina ny rafitry ny FFKM hatrany amin’ny fokontany amin’ny fanantanterahana ny fikaonandoham-pirenena