🗓️ 15 Mai 2026 – Faritra Vakinankaratra Distrika Faratsiho
▶️ Notanterahina tao amin’ny Tranompokonolona Faratsiho ny dingana fanomanana ny “concertation” mialoha ny fakan-kevitra ifotony.
▶️ Tonga nanatanteraka izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony sy ny mpiara-miasa aminy , niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga notarihin’ny Ramatoa Sefo Distrika.
🔹 Nifantoka tamin’ny :
➡️ fanomanana ny fakan-kevitra ifotony eny anivon’ny Fokontany rehetra aorian’ny 03 Jona ;
➡️ fampahafantarana ny olom-pirenena handray anjara sy haneho hevitra an-kahalalahana ;
➡️ fanazavana ny andraikitry ny filohan’ny Fokontany amin’ny fanatanterahana izany.
🎯 Tanjona ny famolavolana ny Lalàm-panorenana ho amin’ny Repoblika faha-5.
🤝 Naneho fahavononana ireo mpandray anjara hampita ny vaovao eny anivon’ny fokontany sy ny fiarahamonina misy azy avy.
#MCR#Fanavaozana
#fiarahamientana#fanolorantena