🎓 𝐈𝐕𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐊𝐀𝐋𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐇𝐀-𝟔𝟓 𝐓𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄𝐍’𝐀𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐑𝐈𝐕𝐎: Nanentana ireo mpianatra sy mpampianatra ny Praiminisitra mba handray anjara feno amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
📌 Notanterahina androany tao amin’ny amphi EGS, Ankatso, ny lanonana ivon’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo.
Tonga nanatrika izany ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta Rajaonarison Mamitiana, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Pr. Manda-Vy Ravonimanantsoa, ny Minisitry ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa, ary ny Minisitry ny Fizahantany, Lucie Vololoniaina.
🤝 Mifototra amin’ny lohahevitra hoe “firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana” ny fankalazana, izay nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny firaisankina, ny fanamafisana ny fikarohana, ary ny fampandrosoana ny fahalalana eny anivon’ny anjerimanontolo.
📢 Nohamafisin’ny Praiminisitra tao anatin’ny lahateniny ny fanoloran-tenan’ny Governemanta, izay tarihin’ Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël, ho an’ny fampianarana ambony, indrindra amin’ny alalan’ny :
✅fanatsarana ny fotodrafitrasa : ny fananganana “campus universitaires” vaovao manerana ny nosy, ary ny fanatsarana ihany koa ny trano fonenan’ny mpianatra.
✅ny fanohanana ny fikarohana
✅ary ny fampiharana ny fanavaozana lehibe, toy ny fahaleovantenan’ny anjerimanontolo sy ny fiantohana ny kalitaon’ny fampianarana.
🔴 Nasongadiny ihany koa fa zava-dehibe ny fihainoana ny mpampianatra-mpikaroka, ny mpikaroka-mpampianatra ary ny mpianatra, satria izy ireo no fototry ny ho avin’ny firenena.
🟢 Nanteriny ihany koa ny tokony hanamafisana ny lafiny ara-pitaovana sy ara-olombelona, anisan’izany ny fandraisana ho mpiasa raikitra ireo mpampianatra an-tselika, mba hahafahana mamaly ny filàna eny anivon’ny Oniversite.
📢 Nanentana ireo mpampianatra sy mpianatra ihany koa ny Praiminisitra ny mba handraisan’izy ireo anjara feno mandritra ny fikaonandoham-pirenena.
🎯 Nohamafisin’ny Minisitry ny Fampianarana Ambony kosa fa tanjon’ny Fanjakana ny hanandratra ny Oniversiten’Antananarivo ho isan’ireo sekoly ambony sangany eto amin’ny kaontinanta afrikanina, amin’ny alalan’ny fanatsarana mitohy ny kalitao sy ny fahaiza-manao.
📌 Marihina fa ny oniversite dia ahitana :
🔹mpianatra manodidina ny 24 000 ka manomana doctorat ny 900 amin’izay ireo
🔹fakiolte 5
🔹sekoly ambony 3
🔹Miisa 11 ny oniversite manerana an’i Madagasikara (anisany ny any Vakinankaratra, Itasy, Amoron’i Mania, Androy, Mandritsara, sns.)
📍Ao anatin’izao fankalazana ny faha-65 taonan’ny Oniversiten’Antananarivo izao dia misy ihany koa ireo tranoheva eny amin’ny esplanade Ankatso hampahafantarana ny voka-pikarohana samihafa.