MCR
Ministère en Charge de la Refondation
MCR
Ministère en Charge de la Refondation
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy androany teny amin’ny Parvis Analakely ny fankalazana ny faha-66 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Fetin’ny Foloalindahy Malagasy, entina eo ambanin’ny lohahevitra hoe : « Fanavaozana ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara ».
Nisongadina nandritra ny lanonana ny fananganan-tsaina sy ny fanomezam-boninahitra ny Sainam-pirenena, niaraka tamin’ny fampahafantarana ny tantarany sy ny fampisehoana ireo sainam-paritra 24 manerana ny Nosy. Nampahatsiahivina ihany koa ireo fitsipika maneho fanajana ny Firenena sy ny soatoavina maha-Malagasy.
Nanome voninahitra ny fotoana ireo manam-pahefana ambony eto amin’ny Firenena, ahitana solontena avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Governemanta, ny Antenimieram-pirenena ary ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.
Nandritra ny lahateniny, ny Mpanolotsaina Avo momba ny Fanavaozana dia nanasongadina ny lanjan’ny soatoavina Malagasy, ny andraikitry ny Foloalindahy amin’ny fiarovana ny Firenena sy ny vahoaka, ary ny maha-zava-dehibe ny teny Malagasy amin’izao fanombohan’ny Volan’ny Teny Malagasy izao.
« Fanavaozana ho an’ny Fandrosoan’i Madagasikara »