Ao anatin’ny fankalazana ny faha-66 taonan’ny niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara dia niara-nientana nanatanteraka fanadiovana faobe ny fianakaviam-ben’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana, notarihin-dRamatoa Minisitra Maître Hanitra Razafimanantsoa izay notanterahina teny amin’ny faritra Antaninarenina sy Faravohitra. Hetsika naneho ny firaisankina, ny fiaraha-mientana ary ny fanoloran-tenan’ny mpiasam-panjakana ho an’ny tombontsoam-bahoaka.
Fanadiovana faobe sy fanatsarana ny fahadiovan’ny ao anatiny sy ny manodidina ny toeram-piasana no notanterahin’ireo mpiasan’ny minisitera.
Voadio sy voakarakara ny toerana nanaovana ny fanadiovana ary nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny firaisankinan’ny mpiasa.
Nampiroborobo ny fahatsapan’andraikitra amin’ny fitandroana ny fahadiovana sy ny tontolo iainana izany, sady nanamafy ny toe-tsaina mifototra amin’ny fiaraha-mientana, fifanajana ary fanoloran-tena eo anivon’ny mpiasam-panjakana.