
Nanambara moa ity ambasadaoro ity fa tafita tsara nandritry ny latabatra boribory niarahana tamin’ireo mpiaraha-miombon’antoka omaly teny amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny tetsy Anosy, ny dingana sy paikady entin’ny fitondram-panjakana manatanteraka ny Fanavaozana. Notsindriany manokana fa tena nomen’ny fitondram-panjakana lanja ny tamberin’andraikitra sy ny fomba mampiaty

Namaly sahady ny antson’ny fanjakana malagasy ihany koa ny tenany ka nanamafy izy fa eo anilan’i Madagasikara hatrany ny Japana. Nomarihiny fa efa nanampy an’i Madagasikara i Japana tamin’ny fizotry ny fifidianana ary mbola vonona hanampy hatrany amin’ny sehatra maro.

Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana kosa dia nanolotra fisaorana ny ambasadaoro amin’ny fanohanana ary nambarany fa tokony alaina tahaka i Japana amin’ny fanamafisana ny resaka demokrasia. Tsy mijanona amin’ny resaka finiavana fotsiny intsony fa tena arahana asa.
#mcr#fikaonandohampirenena#Fanavaozana