
Anisan’izany ny fitaovam-piasana toy ny Ordinateur, bisikileta sy fitaovana hanodinana ny ranomasina ho rano fisotro. Notolorana certificat ihany koa ireo mpandraharaha amin’ny fizahantany; nahazo taratasim-bola avy amin’ny PIC ireo orinasa madinika sy salantsalany.

Mpianatra miisa 292 nahavita fianarana tao amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS), manana ny mari-pahaizana CAPEN, kosa no nandray tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy fanendrena azy ireo ho mpiasam-panjakana.

Mpikambana avy ao amin’ny governemanta vitsivitsy no any an-toerana ka anisan’ireny ny Minisitra misahana ny Fanavaozana , ny Me Hanitra Razafimanantsoa.