Miarinarivo – Itasy

03–04 Jona 2026

FIKAONANDOHAN’NY TANORA HO AN’NY FANAVAOZANA

Nisokatra androany eto Miarinarivo ny Fikaonandohan’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana , mampivondrona ireo solontenan’ny tanora avy amin’ny kaominina manerana ny Faritra Itasy.Fotoana izay notarihan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Itasy Ranarivao Onitiana Sitraka

Nivoitra nandritra ny fotoana fa ny tanora no hery fototra entina manangana fanavaozana maharitra sy manoratra ny hoavin’i Madagasikara.

Tonga miaraka amin’ireo fehin-kevitra sy soso-kevitra avy eny ifotony ireo tanora, vonona handray anjara amin’ny fanorenana firenena mandroso sy mirindra kokoa.