
Manakara – Faritra Fitovinany

08 Jona 2026

FIKAONANDOHAM-PARITRY NY TANORA HO AN’NY FANAVAOZANA

Notanterahina androany tao Manakara ny Fikaonandoham-paritry ny Tanora tao amin’ny Faritra Fitovinany, niarahana tamin’ireo solontenan’ny tanora avy amin’ireo Kaominina samihafa manerana ny faritra.

Nanome voninahitra ny fotoana ny Chef de Région Fitovinany, ny Préfet de Manakara, ny Taleam-paritry misahana ny Fanavaozana Fitovinany ary ireo Taleam-paritra samihafa.

Nisy ny ady hevitra mahakasika ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena ary navitrika ny fandraisan’anjaran’ireo tanora tamin’ny fanolorana soso-kevitra sy vina ho an’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Hatolotra eny amin’ny Fikaonandoham-pirenena ireo tolo-kevitra voaray, ary efa voafidy ireo solontena hisolo tena ny Faritra Fitovinany amin’izany.
# Fanavaozana