📍Mahajanga I – Faritra Boeny
🗓️ 17 Jona 2026
🤝 Nisy ny fihaonana teo amin’ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny Razafindrakoto Tojo Harinala sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny Sekoly Ambony momba ny Lalàna sy ny Siansa Politika (EDSP) Oniversiten’ny Mahajanga, izay nanamafisana ny fiaraha-miasa ho fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM sy ny Ministera misahana ny Fanavaozana.
🎓 Naneho fahavononana tanteraka ny sekoly handray anjara amin’ny ezaka fanavaozana amin’ny maha-sekoly ambony manofana sy mampivelatra ny fahalalana momba ny raharaham-panjakana sy ny politika azy. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanentanana sy fanofanana ary ny fikarakarana famelabelaran-kevitra sy fihaonambe mifandraika amin’ireo lohahevitra hodinihina mandritra ny Fikaonandoham-pirenena ny sekoly.
🗣️ Notsindriana ihany koa fa maro ireo tanora mpianatra sy mpikaroka ao amin’ny sekoly no manana traikefa sy hevitra afaka mitondra vahaolana sy fanatsarana amin’ireo adihevitra hatao, ka vonona ny handray anjara mavitrika amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fanolorana soso-kevitra ho fampandrosoana ny firenena.
🌱 Ity fiaraha-miasa ity dia manamafy ny fifamatorana eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ambony sy ny fitondram-panjakana, hampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena ary hanampy amin’ny fanangonana hevitra sy vahaolana maharitra ho an’ny fanorenana firenena vanona sy mandroso.
🇲🇬✨