19 Jona 2026
📍 Mahajanga, Faritra Boeny
🤝 Nihaona tamin’ny Lehiben’ny Distrikan’ny Boeny sy ny Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Tetibola Boeny ny talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny Razafindrakoto Tojo Harinala nifampidinika momba ny fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ny dinika tarihin’ny FFKM sy ny famahana ireo olana mifandraika amin’ny asa iarahana.
✅ Naneho fahavononana hiara-kiasa sy hifanohana amin’ny fanatanterahana ireo hetsika sy asa ho tombontsoan’ny vahoaka ireo tompon’andraikitra voakasika.
🌟 Hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaham-panjakana izany ary hanamora ny fanatanterahana ireo asa sy dinika eny ifotony.