📆01 Jolay 2026
📍Mahajanga-Faritra Boeny
🤝 Fitsidihana ara-pomba fifanajana sy fanamafisana fiaraha-miasa
Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny Sampan-draharahan’ny Fanavaozana sy Fiaraha-miombon’antoka avy amin’ny Faritra Boeny teo amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny.
📝 Nifantoka tamin’ny fifampizarana sy fandrindrana ny fizotry ny fakan-kevitra izay hotanterahina eo amin’ny Faritra Boeny ny dinika, mba hahazoana antoka fa hizotra am-pilaminana sy hahomby ny fanatanterahana izany.
✅ Nifanarahana nandritra izany ny fomba hiaraha-miasa sy ny fandrindrana ireo dingana arahina amin’ny fanatanterahana ny fakan-kevitra, izay hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaha ary hanampy amin’ny fahombiazan’ny asa fampandrosoana.
🤝 Samy manamafy ny fahavononany hiara-hiasa sy hifanome tanana ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny Razafindrakoto Tojo Harinala sy ny lehiben’ny Sampan-draharahan’ny Fanavaozana sy Fiaraha-miombon’antoka avy amin’ny Faritra Boeny, ho fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fanatanterahana ireo asa ho tombontsoan’ny vahoaka.🇲🇬🇲🇬