
Araka ny efa nolazain’ny Filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny fandaharana manokana ny Alahady 31 May lasa teo dia mihaona izao tolakandro izao eo amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsirohitra ny Filoha ,ny kôlonely RANDRIANIRINA Michaël,ireo Mpanolotsaina Avo ,ny Jeneraly Zafitasondry Marcellin sy ny Kôlônely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ,Me Hanitra RAZAFIMANANTSOA ary ireo raiamandreny eo anivon’ny FFKM nahitana ny Filohan’ny FFKM sy EEM Mgr RANARIVELO Samoela Jaona, ny Filohan’ny FJKM Pasitera ANDRIAMAMPIANINA Zaka Harimasy, ny Filohan’ny EKAR Mgr RAOELISON Jean de Dieu ary Atoa Andry Fiankinana nisolo tena ny Filohan’ny FLM.