KOMITY MPIKARAKARA NY FIKAONAN-DOHAM-PIRENEN’NY TANORA

𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐,
[𝑭𝒂𝒉𝒂-15 𝒋𝒐𝒍𝒂𝒚 2026]
Nifanakalo hevitra sy nitafa tamin’ireo solontenan’ny Komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora androany, teto Mahazoarivo, ny Praiminisitra Mamitiana RAJAONARISON.
Noresahina nandritra izao fihaonana izao ny dingana vita sy ny mbola ho atao amin’ny fampidirana ny tanora amin’ny fanavaozanana ny firenena malagasy.
Naneho ny ahiahiny ireo tanora sao fihetsika ivelany fotsiny no atao ka tsy horaisina akory ny hevitr’izy ireo. Noho izany indridra dia nangataka antoka tamin’Andriamatoa Praiminisitra izy ireo mba tsy ho very maina ireo hevitra naroso nandritra ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora.
Nanamafy ny Praiminisitra fa mihaino ny tanora ny Governemanta ary manao izay fomba rehetra handraisana ny hevitr’ireo tanora ao anatin’izao fanavaozana tanterahina eto amin’ny firenena izao.
Niara-nandray ireo solontenan’ny komity mpikarakara ny fikaonandoham-pirenen’ny tanora tamin’Andriamatoa Praiminisitra, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ireo solontena avy amin’ny sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana.