📅15 Jona 2026
📍 Kaominina Vatana, Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany
📝Notanterahina tao amin’ny Kaominina Vatana ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena, notarihin’Andriamatoa Romario RANDRIAZAFY, Talem-paritry ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany. Nandritra izany dia nomena fanazavana ny mponina momba ny tanjon’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny anjara andraikitra miandry ny olompirenena amin’ny fandraisana anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fametrahana soso-kevitra ho fampandrosoana ny firenena.
👉Naneho fahalianana sy fahavononana handray anjara ireo mponina, ary maro no nilaza fa nanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena sy ny maha zava-dehibe ny fandraisan’ny rehetra anjara ity fanentanana ity. Hita taratra tamin’izany ny fahavononan’ny vahoaka haneho ny olana eny ifotony sy handray anjara amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny fampandrosoana ny kaominina sy ny faritra.