📅 29 May 2026
📍 Kaominina Tatao – Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany
🇲🇬 TALEM-PARITRY MISAHANA NY FANAVAOZANA MANOHY NY FIDINANA IFOTONY HO FANENTANANA NY FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA
📢 Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany. Noho izany dia tany amin’ny Kaominina Tatao no nanatanterahana ny fanentanana sy fanazavana mikasika ny Fikaonandoham-pirenena.
🤝 Nandritra ny fotoana no natao ny fampahafantarana sy fandrindrana miaraka amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony mba hahafahan’ny vahoaka mandray anjara mavitrika amin’ity dingana lehibe ho an’ny firenena ity.
🗣️ Naneho ny hafaliany sy ny fahavononany handray anjara ny vahoaka, ary nilaza fa manan-danja lehibe ny fikaonandoham-pirenena amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny fokontany, izay heverin’izy ireo fa tsy nahazo ny toerana sahaza azy nandritra ny fotoana maro.
🌱 Amin’ny alalan’izao fidinana ifotony izao dia manohy mitondra fanentanana sy fanazavana ho an’ny vahoaka ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana, mba hahatonga ny fikaonandoham-pirenena ho sehatra iarahan’ny rehetra mandray anjara amin’ny fanorenana an’i Madagasikara.