📍27 MAI 2026
🏛️ KAOMININA SAHASINAKA – FARITRA FITOVINANY
Araka ny fandaharam-potoana efa nifanarahana dia notanterahina tao amin’ny Kaominina Sahasinaka ny fanentanana nataon’ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, mikasika ny Fikaonandoham-pirenena 🇲🇬.
Nohamafisina nandritra ny fihaonana fa ilaina ny fanentanana mialoha eny ifotony mba tsy hahatonga ny vahoaka ho tampoka amin’ny fizotran’ny fikaonandoha. Tokony hapetraka tsara ny fandaminana sy ny rindran-damina, satria asa goavana mila fandraisana anjara iombonana no atao
🤝Hita sy tsapa fa vonona sy miandrandra fatratra ny vahoaka handray anjara amin’ity fikaonandoha ity.
👥 Tonga nanatrika izany ny Lehiben’ny Boriborintany Administratifa,ny Lehiben’ny Tobim-paritra Zandarimaria Sahasinaka,Ben’ny Tanàna miisa 17 , solontenan’ny Mpanjaka ary Raiamandreny ara-drazana 👑
📌 **Fikaonandoham-pirenena : fandraisana anjara, fifampihainoana ary firaisankina ho an’ny hoavin’i Madagasikara 🇲🇬**
#MCR#Fanavaozana