📍Kaominina Morarano – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy
🗓️ 16 Jona 2026
🪪Nisy ny fivoriana notarihan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Itasy Ranarivao Onitiana Sitraka niarahana tamin’ireo sefom-pokontany 9 mandrafitra ny Kaominina Morarano ho fampahafantarana ny Fikaonandoham-pirenena sy fanamafisana ny anjara asan’izy ireo amin’ny fanentanana eny ifotony. Nandritra ny fifanakalozana dia naneho fahalianana sy hafanam-po ireo mpandray anjara.
🎯Nahazo fanazavana mazava momba ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena sy ny dinam-piaraha-monina ireo sefom-pokontany, ka naneho fahavononana hanohana sy hanentana ny vahoaka eny anivon’ny fokontany.🇲🇬