19 Jona 2026

Kaominina Morafeno, Distrika Arivonimamo, Faritra Itasy

Notanterahina ny fidinana ifotony sy fihaonana tamin’ireo Sefom-pokontany rehetra ao amin’ny Kaominina Morafeno, nanaovana fanentanana sy fanazavana momba ny dingana, antony ary ireo mpandray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena izay hanomboka eny anivon’ny fokontany izay niarahana tamin’ny Fitaleavam-paritra Itasy.
Nahazo fanazavana mazava momba ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena ireo Sefom-pokontany ary naneho fahavononana hiara-kiasa amin’ny fanatanterahana izany eny ifotony.

Mampitombo ny fahafantaran’ny tompon’andraikitra eny ifotony ny tanjon’ny fanavaozana ary manamafy ny fiaraha-mientana sy ny fandraisan’anjara amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena.