19 Jona 2026
📍 Kaominina Manalalondo – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy
🤝 Nihaona tamin’ireo Sefo-pokontany avy amin’ny Kaominina Manalalondo sy ireo kaominina manodidina ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy. Nandritra izany no nanolorana fanazavana sy fampahafantarana mikasika ny Fikaonandoham-pirenena, ho fanomanana ny fidinan’ny FFKM eny ifotony.
✅ Naneho fahalianana ireo mpandray anjara ary nandray anjara mavitrika tamin’ny fifanakalozan-kevitra sy fametrahana fanontaniana mba hahafahan’izy ireo mampita vaovao mazava sy marina amin’ny vahoaka.
🎯 Nampitombo ny fahatakarana ny tanjon’ny Fikaonandoham-pirenena sy nanamafy ny fahavononan’ireo tompon’andraikitra eny ifotony handray anjara amin’ny fanentanana sy fanaparitahana vaovao amin’ny mponina.