📍Kaominina Mahazoarivo – Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany
🗓️ 18 Jona 2026
🔹 Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Mahazoarivo nanome fanazavana momba ny fikaonandohampirenena ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ao Fitovinany Romario RANDRIAZAFY ,nandritra izany no nanaovany fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ka nanamafisany fa efa ao anatin’ny dingana fanomanana miaraka amin’ny FFKM izao ny tompon’andraikitra.
🔹 Tonga maro ny vahoaka ary nahazo fanazavana mazava momba ny tanjona sy ny fomba fandraisana anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
🔹 Nihamafy ny fahavononan’ny mponina handray anjara amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny Fokontany, ary miandry fatratra ny fanombohan’ny fikaonandoha hotarihin’ny FFKM. 🇲🇬✨