📍Kaominina Mahasoabe – Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany
🗓️ 17 Jona 2026
🇲🇬 Fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena
👤 Nidina ifotony nanatanteraka fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena tao amin’ny Kaominina Mahasoabe ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Romario Randriazafy.Nohazavaina tamin’ny vahoaka ny tanjona sy ny fomba fandraisana anjara amin’ity dingana tarihin’ny FFKM ity.
Vokatr’izany dia nitombo ny fahafantaran’ny vahoaka ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny fikaonandoha.
🌱 Vonona kokoa ny mponina handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena sy ny fampandrosoana ny Firenena.🇲🇬🇲🇬