
Kaominina Arivonimamo I – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

17 Jona 2026

Notanterahina tao amin’ny Kaominina Arivonimamo I ny fanentanana sy fampahafantarana momba ny Fikaonandoham-pirenena notarihin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, niarahana tamin’ireo sefom-pokontany sy ny lefiny.

Nohazavaina nandritra izany ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ary ny fomba handraisan’ny olom-pirenena anjara.