
15 Jona 2026

Kaominina Antambolo – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

Fanentanana momba ny fandraisana anjaran’ny olompirenena amin’ny Fikaonandoham-pirenena

Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Antambolo ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy nihaona tamin’ireo Sefom-pokontany, niaraka tamin’ny fanohanan’ny Ben’ny Tanàna, ho fanentanana sy fampahafantarana ny momba ny Fikaonandoham-pirenena.

Nandritra ny fihaonana dia nampahafantarina ireo Sefom-pokontany ny tanjon’ny Fikaonandoham-pirenena, ireo handray anjara, ny dingana arahina ary ny maha zava-dehibe ny fakana ny hevitry ny fokonolona. Nentanina ihany koa izy ireo hampita izany vaovao izany any amin’ny fokontany iandraiketany mba hahafahan’ny olompirenena rehetra mandray anjara amin’ny fanehoan-kevitra sy ny fananganana vahaolana ho an’ny firenena.
Nohamafisina nandritra ny fotoana fa misokatra hatrany ny varavaran’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy amin’ny fiaraha-miasa sy ny fanatanterahana ireo iraka samihafa iandraiketany, ankoatra ny fanohanana ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM.

