🗓️ 29 Mey 2026
📍 Kaominina Andilanatoby – Faritra Alaotra Mangoro
📢 Notanterahina ny fampahafantarana sy fanazavana ifotony momba ny Fakan-kevitra sy Fikaonandoha Nasionaly, notarihin’ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Alaotra Mangoro, niaraka tamin’ireo lehiben’ny sampandraharaha
🤝 Nanotrona sy nandray anjara tamin’izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, nahitana ny Prefet,ny Lehiben’ny Faritra, ireo Talem-paritra namana, solontenan’ny kabinetran’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, solontenan’ny Minisiteran’ny Fanavaozana,ireo Tangalamena ary ireo hery velona maro tao an-toerana.
🇲🇬 Tanjona ny hampahafantatra sy hanentana ny rehetra handray anjara mavitrika amin’ny Fakan-kevitra sy Fikaonan-doha Nasionaly.