📍Kaominina Andemaka – Distrikan’i Vohipeno – Faritra Fitovinany
🗓️ 17 Jona 2026
🇲🇬 Fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena
👉 Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Andemaka nitondra fanentanana momba ny fikaonandohampirenena ny Talem-paritry ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany Romario Randriazafy . 📝Nandritra izany no nanazavana tamin’ny vahoaka ny tanjona sy ny fizotry ny fikaonandoha izay tarihin’ny FFKM, ary ny anjara andraikitry ny olom-pirenena amin’izany. Nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ny Ben’ny Tanàna, ireo Sefom-pokontany ary ireo tompon’andraikitra ifotony. Hita nandritra ny fihaonana ny fahalianana sy ny fahavononan’ny vahoaka handray anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena mba hitondra vahaolana sy hanatsarana ny fiainan’ny fokontany sy ny kaominina misy azy, ka nahatonga ny fihaonana ho tontosa tamim-pilaminana sy fifankahazoana.
🔹 Nitombo ny fahafantaran’ny vahoaka ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny fikaonandoha ary nihamafy ny fahavononany handray anjara.
🔹 Mampiroborobo ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena sy manamafy ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana eny ifotony izao fidinana ifotony izao