
26 May 2026

KAOMININA Ampasimanjeva – Faritra Fitovinany

Miroso hatrany amin’ny fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana ao amin’ny Faritra Fitovinany. Tanjona amin’izany ny hitondrana fanazavana mazava sy hanentanana ny vahoaka rehetra handray anjara mavitrika amin’ny dingana Fanavaozana.

Nohamafisina nandritra ny fidinana ifotony fa misokatra ho an’ny rehetra ny Fikaonandoham-pirenena ary anjaran’ny tsirairay ny mandray anjara amin’ny fanehoan-kevitra sy fanolorana vahaolana.

“Malalaka ny fanehoan-kevitra ary ilaina ny fahasahiana milaza ny marina sy ireo olana mbola manakana ny fampandrosoana eny anivon’ny fokontany sy kaominina,” hoy ny fanentanana natao.

Notsindriana ihany koa fa tsy ampy ny filazana olana fotsiny fa ilaina miaraka amin’izany ny fanolorana vahaolana hahafahana manatsara ny fiainam-bahoaka sy mampandroso ny fiarahamonina.


Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataon’ny ekipan’ny Talem-paritry misahana ny Fanavaozana, amin’ny fanomanana sy fanentanana ny vahoaka manoloana ny Fikaonandoham-pirenena.