
10 Jona 2026

Kaominina Ampahimanga – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy


MITOHY NY FIDINANA IFOTONY MOMBA NY FIKAONANDOHAM-PIRENENA
Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Ampahimanga ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, Ramatoa Ranarivao Sitrakasy ireo mpiara-miasa aminy ho fanentanana sy fampahafantarana ny Fikaonandoham-pirenena izay hotarihin’ny FFKM miainga eny anivon’ny fokontany.

Nihaona tamin’ireo Sefo Fokontany rehetra mandrafitra ny kaominina ny delegasiona, ka nohazavaina ny tanjon’ny fikaonandoha sy ny anjara toerana lehibe sahanin’izy ireo amin’ny fampandraisana anjara ny olom-pirenena.

Nandritra izany ihany koa no nampahafantarana ireo iraka sy andraikitra hafa sahanin’ny Minisiteran’ny Fanavaozana ankoatra ny Fikaonandoham-pirenena