
09 Jona 2026

Kaominina Ambonivohitra Fianarantsoa – Faritra Matsiatra Ambony

Fikaonandohan’ny Tanora ho an’ny Fanavaozana

Natomboka ny 09 Jona 2026 Fikaonandohan’ny Tanora tao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, nosokafan’ny Sekretera Jeneraly ny Faritra, notronin’ny Lefitry Distrika sy ny Ben’ny Tanànan’i Fianarantsoa ary ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Ramatoa RAZANAMAHEFA Stella.

Mandritra ny roa andro ny hetsika, ka lohahevitra telo no hodinihina : Politika, Fitantanana ary Tontolo iainana. Anisan’ny noresahana ny fanamafisana ny demokrasia miainga eny ifotony,ny Fikaonandoham-pirenena, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fanakaikezana ny tolotra sy biraom-panjakana amin’ny vahoaka. Anisan’ny nivoitra ihany koa ny fanatanterahana ny fifidianana miainga avy amin’ny ifotony aloha ka hiantomboka amin’ny sefo fokontany ary mifarana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena.


Tanora mandray anjara mavitrika amin’ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ny Firenena