
Kaominina Ambohitrambo – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy

17 Jona 2026

𝗙𝗶𝗸𝗮𝗼𝗻𝗮𝗻𝗱𝗼𝗵𝗮𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗶𝗮𝗶𝗻𝗴𝗮 𝗲𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗸𝗼𝗻𝘁𝗮𝗻𝘆

Ho avy tsy ho ela ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny fokontany izay hotarihin’ny FFKM, ka ho fanomanana izany dia nidina ifotony teto amin’ny Kaominina Ambohitrambo ny ekipa avy amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy nihaona tamin’ireo Sefom-pokontany sy tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Nandritra ny fihaonana no nanazavana ny tanjona sy ny lanjan’ny Fikaonandoham-pirenena ary ny andraikitry ny tsirairay amin’ny fanentanana sy fanomanana ny fokonolona mba handray anjara mavitrika amin’izany.

Tontosa soa aman-tsara ny fanentanana ary naneho fahavononana sy firaisankina ireo mpandray anjara rehetra amin’ny fanohanana ny fanatanterahana ny fikaonandoha eny anivon’ny Fokontany.

Nahazo fanazavana sy toromarika mazava ireo Sefom-pokontany ary vonona hampita izany amin’ny fokonolona.