Kaominina Ambinany Vohitra, Tolagnaro – Faritra Anosy
18 Jona 2026
Nandalo teto amin’ny Kaominina Ambinany Vohitra, Tolagnaro, Ramatoa Lefitra faha-3 ao amin’ny CENI ka nihaona tamin’ireo Sefo Fokontany, fiarahamonim-pirenena (OSC), fikambanana, mpanao politika, GEN Z ary ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notronin’ny Talem-paritry ny Fanavaozana Anosy Livara Behaza.
Nandritra ny fihaonana dia nohazavaina ny momba ny fanavaozana ny lisi-pifidianana sy ny fananganana ny CLRE, izay handraisan’ireo herivelona rehetra anjara. Nampahafantarina ihany koa fa hanomboka ny 28 Jolay 2026 ka hitohy hatramin’ny Aprily 2027 ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana.
Nanararaotra ny fotoana ihany koa ireo mpandray anjara nifanakalo hevitra momba ny fanomanana ny Fikaonan-doham-pirenena izay miainga eny ifotony, tarihin’ny FFKM ary tohanan’ny Minisiteran’ny Fanavaozana.
#mcr
#Fanavaozana
#Fikaonandohampirenena
#fifanajana
#FiarahaMientana
#fanolorantena