📍Kaominina Ambatomirahavavy – Distrika Arivonimamo – Faritra Itasy
🗓️ 16 Jona 2026
📝Nidina ifotony nahampafantatra momba ny Fikaonandoham-pireneny ekipa avy amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy niaraka tamin’ireo sefom-pokontany sy délégués ao amin’ny Kaominina Ambatomirahavavy. Nandritra izany no nanazavana ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ary ny andraikitry ny tompon’andraikitra eny ifotony amin’ny fampitana ny vaovao amin’ny vahoaka.
🪪Nahazo fanazavana feno ireo mpandray anjara ary naneho fahavononana tamin’ny fanatanterahana ny andraikiny. Nisy ihany koa ny fifanakalozan-kevitra sy fanontaniana izay nanampy tamin’ny fanazavana ireo teboka mbola nampisalasala.
🤝 Vokatr’izany, mazava kokoa amin’ireo tompon’andraikitra eny ifotony ny andraikiny amin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny mponina.
🌱 Hanamafy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy hanampy amin’ny fahombiazan’ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny fokontany izany. 🇲🇬🗣️📢✨