Kaominina Ambanivohitra Vohimary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo – Faritra Atsimo Atsinanana
🗓️ 17 Jona 2026
📢 Nidina ifotony tao ao amin’ny kaominina Vohimary Atsimo ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Iotokarozy sy ireo mpiara-miasa aminy. Nisy ny fanazavana sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena ary ny fiomanana amin’ny fanatanterahana izany eny anivon’ny fokontany, kaominina, distrika ary faritra. Nanatrika izany ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrika, ireo Ben’ny tanàna, sefom-pokontany, mpitandro filaminana, lehiben’ny zandarimaria ary ireo komity mpanatanteraka ny dina.
✅ Nazava tamin’ireo mpandray anjara ny maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena ka vonona izy ireo hitondra ny heviny sy hanentana ny mponina. Nangataka ihany koa izy ireo mba hampahafantarina mialoha ny daty hanaovana izany noho ny halaviran’ny toerana sy ny fiparitahan’ny mponina.
🌱 Nampitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ny hetsika satria tsapan’izy ireo fa misy ny Fanjakana mihaino ny olany sy manohana ny fampandrosoana miainga eny ifotony. 🇲🇬