19 Jona 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Tsiatosika, Distrikan’i Mananjary – Faritra Vatovavy
👥 Nidina ifotony nanatanteraka fanentanana sy fanazavana momba ny Fikaonandoha Ifotony sy ny tanjona kendren’ny Fitondrana Fanavaozana ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana Vatovavy Nandray anjara mavitrika tamin’izany ny vahoaka sy ireo tanora tao an-toerana, izay naneho fahalianana sy fahavononana handray anjara amin’ny dinika sy ny fampandrosoana ny fiarahamonina.
✅ Nahazo fanazavana mazava momba ny Fikaonandoha Ifotony ny mpandray anjara ary maro ireo naneho fahavononana hitondra soso-kevitra sy handray anjara amin’ny dingana rehetra.
🌱 Nitombo ny fahatokisan’ny mponina ny fomba fandraisana anjara amin’ny raharaham-pirenena ary voaentana kokoa ny tanora handray andraikitra amin’ny fampandrosoana sy ny fananganana fiarahamonina mirindra sy mandroso.