18 Jona 2026

Kaominina Ambanivohitra Mahazoarivo, Distrikan’i Vondrozo – Faritra Atsimo Atsinanana

Notanterahin’Andriamatoa Talem-paritry misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana Iotokarozy sy ireo mpiara-miasa a ny fidinana ifotony tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Mahazoarivo ny fanazavana mahakasika ny fikaonandoham-pirenena. Nanatrika izany ny Lefitry ny Lehiben’ny Distrikan’i Vondrozo, ny Ben’ny Tanàna, ireo Sefo Fokontany, ny Komity Mpanatanteraka ny Dina (KMD) ary ireo Mpanolotsaina ao amin’ny Kaominina.

Nandritra izany no nanazavany momba ny maha zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny Fokontany, Kaominina, Distrika ary Faritra, mba hahafahan’ny rehetra miomana mialoha amin’ny fanatanterahana izany.

Nazava tamin’ireo mpandray anjara ny tanjona sy ny lanjan’ity fikaonandoham-pirenena ity ka vonona izy ireo hitondra ny hetahetany sy ny olana iainan’ny mponina isan’andro ary hampita ny hafatra eny anivon’ny fokontany misy azy avy.

Niteraka fahavononana sy fanantenana eo amin’ny mponina izany, ary manamafy ny finiavan’izy ireo handray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra eny amin’ny tontolo ambanivohitra.