📆07 Jolay 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Ankily – Faritra Ihorombe
🇲🇬 𝐍𝐚𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐨𝐟𝐨𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐈𝐯𝐨𝐧𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐡𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐡𝐚𝐧𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐨𝐥𝐨𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐨𝐞-𝐛𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐚𝐫𝐢𝐫𝐚 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐩𝐚𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐬𝐢𝐦𝐨𝐧’𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
Tonga tao amin’ny Faritra Ihorombe ny 07 Jolay 2026 Ramatoa Elysa Randrianirina vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika nanatanteraka izany.
🛖Ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankily, toerana niavian-dRamatoa Elysa RANDRIANIRINA, no hananganana ity fotodrafitrasa ity. Kendrena amin’izany ny hanamafisana ny fandraisana an-tanana sy ny fanohanana ireo olona manana toe-batana varira ary ny hanatsarana ny fahafahan’izy ireo misitraka tolotra mifanaraka amin’ny filàny.
👉Isany tonga nanatrika ny lanonana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Ihorombe Atoa Randriampilamanana Rostand, izay maneho ny fiaraha-mientan’ny Fitaleavam-paritra amin’ireo hetsika mitondra fampandrosoana ara-tsosialy sy mampiroborobo ny fampiatiana ny rehetra.
🌱 Izao lanonana izao dia hanamafy ny fampiatiana ara-tsosialy, hanatsara ny fandraisana an-tànana ireo olona manana toe-batana varira ary hanampy amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ho azy ireo hirosoana amin’ny Fanavaozana tena izy.