🗓️ 28 MAY 2026
📍 Kaominina Ambanivohitra Ankatafana – Distrikan’i Mananjary, Faritra Vatovavy
🚩 Mitohy ny fanentanana momba ny Fikaonandoha Ifotony sy ny fifampidinihana miaraka amin’ny tanora.
Nifamotoana tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankatafana ny Talem-paritry ny Fanavaozana Andriamatoa Fridolin Caleb (DRR) sy ny Talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (DRJS) Vatovavy ny Alakamisy 28 Mey 2026.
🗣️ Nandritra izany dia:
✅ Nanatanteraka fanentanana mikasika ny Fikaonandoha Ifotony izay tanterahina manerana ny Nosy
✅ Nitarika ny Fikaonandoha ho an’ny Tanora niarahana tamin’ireo tanora avy amin’ny kaominina
✅ Nanangona sy nandray ireo hevitra sy soso-kevitra avy amin’ny mponina sy ny tanora.
👥 Hita taratra fa efa tonga eny ifotony ny fanazavana sy ny fanentanana natao, izay voaporofo tamin’ny fahamaroan’ny vahoaka tonga nanatrika sy ny fandraisan’anjaran’ireo tanora tamin’ny fifanakalozan-kevitra.
🤝 Hitohy any amin’ireo Distrika sy kaominina hafa ao amin’ny Faritra Vatovavy ny hetsika, araka ny fanapahan-kevitra horaisin’ny Komity Mpanomana.
🇲🇬 Ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny tanora no antoky ny fahombiazan’ny Fikaonandoha Ifotony sy ny fanavaozana maharitra. 🇲🇬
#MCR#Fanavaozana