📍Kaominina Ambanivohitra Andoharano – Distrikan’i Vondrozo – Faritra Atsimo Atsinanana
🗓️ 16 Jona 2026
📝Nidina ifotony ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsimo Atsinanana IOTOKAROZY tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andoharano ho fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena. Nanatrika izany ireo solontena avy amin’ireo kaominina manodidina, ahitana Ben’ny Tanàna, Mpanolotsaina, Sefo Fokontany, ary ireo tompon’andraikim-panjakana.
Nazava tamin’ireo mpandray anjara ny tanjona sy ny maha-zava-dehibe ny Fikaonandoham-pirenena, ka naneho fahavononana handray anjara mavitrika sy hanentana ny mponina eny anivon’ny fokontany izy ireo. 🤝🇲🇬📢🗣️✨