🗓️ 01 Jona 2026
📍 Imerintsiatosika – Faritra Itasy
🇲🇬 Fampahafantarana ny fizotran’ny Fikaonandoham-pirenena
Nandritra ny fananganan-tsaina androany tao Imerintsiatosika, dia nanatanteraka fanentanana sy fampahafantarana momba ny fizotran’ny Fikaonandoham-pirenena ny Talem-paritry ny Fanavaozana sy ny ekipany. Nandray anjara tamin’izany ireo Ben’ny Tanàna, STD, Sefom-pokontany ary olom-pirenena maro.
🗣️ Nohazavaina nandritra ny fotoana ny tanjon’ny fikaonandoha sy ny maha-zava-dehibe ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny alalan’ny hevitra sy sosokevitra entiny ho amin’ny fampandrosoana ny firenena.
✨ Tsapa nandritra ny fihaonana ny fahalianan’ny mpanatrika sy ny fahavononany handray anjara amin’ity dingana lehibe ity.
🤝 Marihina fa hanohy ny fanentanana ny Fitaleavam-paritry ny Fanavaozana ato amin’ny Kaominina Imerintsiatosika, ka hihaona amin’ireo Sefom-pokontany 36 mandrafitra ny kaominina mandritra ity herinandro ity.