🗓️14 Aprily 2026
📍CCI Ivato
Hafatry ny Minisitra misahana ny fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa ho an’ireo tanora
🗣️Hafatry ny zoky raiamandreny no nomen’ny Minisitry ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa ho an’ny Tanora nandritry ny Lanonam-panokafana ny Fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tanora teny amin’ny CCI Ivato androany . Teboka lehibe telo no niompanan’ny hafatra:
🟢Hiaino ny hatanoranareo: manaova dinga-dava nefa fantaro izay aleha fa aza mitsambiki-mikimpy
🔴Ampiasao araka ny tokony ho izy ny teknolojia. Hiaino amin’ny lafiny tsara izany ho anareo manana tombony amin’ny fampiasana izany
🟢Arovy izay natsangana. Aza manome vahana olona efa nanimba ny firenena. Andao tohanana ny finiavana izay misy.
✅Nanome tsodrano ny tanora hahaleo hahalasa amin’ny fandraisana andraikitra eto amin’ny firenena ihany koa Ramatoa Minisitra misahana ny Fanavaozana ary nanamafy hatrany fa heno avokoa ny haitaky nataon’ny solontenan’ny tanora.
#mcr#fanavaozana#𝐅𝐢𝐤𝐚𝐨𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐡𝐚
#𝐅𝐢𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐚𝐫𝐚𝐡𝐚_𝐦𝐢𝐞𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚#𝐅𝐢𝐧𝐢𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚